1 Fihirana fiakarana*. Aminao no anandratako ny masoko, Ry Mpitoetra any an-danitra .[Na: Fihirana misy hevitra ambaratonga]

2 Indro, toy ny fijerin'ny ankizilahy Ny tanan'ny tompolahiny, Ary toy ny fijerin'ny ankizivavy Ny tanan'ny tompovaviny, No fijerintsika an'i Jehovah Andriamanitsika, Mandra-pamindra fony amintsika.

3 Mamindr fo aminay, Jehovah , mamindr fo aminay; Fa tototry ny fanamavoana loatra izahay;

4 Eny, tototry ny famingavingan'ny miadana ny fanahinay, Sy tototry ny fanamavoan'ny mpiavonavona.
